LESONA 53

Tsy Natahotahotra i Joiada

Tsy Natahotahotra i Joiada

Nanan-janakavavy atao hoe Atalia i Jezebela. Ratsy toetra be hoatran’ny reniny ihany i Atalia. Nanambady ny mpanjakan’ny Joda izy. Rehefa maty io mpanjaka io, dia ny zanak’i Atalia no lasa mpanjaka. Maty koa anefa io zanany io tatỳ aoriana, ka i Atalia no tonga dia nanjaka. Novonoiny daholo ny zanaky ny mpanjaka sy ny olona rehetra mety ho lasa mpanjaka, hatramin’ny zafikeliny aza. Natahotra be an’i Atalia daholo ny olona.

Hitan’i Joiada Mpisoronabe sy Joseba vadiny hoe tena ratsy ny nataon’i Atalia. Nafenin-dry zareo àry i Joasy zafikelin’i Atalia, ka tao amin’ny tempoly izy mivady no nitaiza azy. Mety ho novonoina anefa ry zareo raha tratra.

Rehefa fito taona i Joasy, dia nantsoin’i Joiada daholo ny mpiadidy sy ny Levita. Dia hoy izy: ‘Ambeno ny varavaran’ny tempoly ary aza avela misy miditra eo.’ Nataon’i Joiada mpanjakan’ny Joda i Joasy, dia nasiany satroboninahitra teo amin’ny lohany. Dia hoy ny vahoaka: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”

Henon’i Atalia nihorakoraka be ny vahoaka, dia lasa haingana izy nankany amin’ny tempoly. Rehefa nahita ny mpanjaka izy, dia niantsoantso hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” Nosamborin’ny mpiadidy ilay mpanjakavavy ratsy fanahy ka navoakan-dry zareo, dia novonoiny ho faty. Ary ahoana ny amin’ireo zavatra ratsy be dia be nataony teo amin’ilay firenena?

Nasain’i Joiada nivoady tamin’i Jehovah ny vahoaka hoe izy irery ihany no hivavahan-dry zareo. Nasain’i Joiada noravan-dry zareo koa ny tempolin’i Bala, ary nasainy nopotehina ny sampy. Nanendry mpisorona sy Levita mba hiasa tao amin’ny tempoly i Joiada, amin’izay ny olona afaka mivavaka ao indray. Nasiany mpiambina koa teo amin’ny varavaran’ny tempoly mba tsy hisy olona maloto tafiditra ao. Dia nentin’i Joiada sy ny mpiadidy tany an-dapa i Joasy ary nataony mpanjaka. Faly be mihitsy ny olona tany Joda. Afaka nivavaka tamin’i Jehovah indray mantsy ry zareo, satria tsy teo intsony i Atalia ary foana ny fivavahana tamin’i Bala. Tena tsy natahotahotra tokoa i Joiada ka nandray soa ny vahoaka.

“Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.”—Matio 10:28