Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 58

Rava i Jerosalema

Rava i Jerosalema

Imbetsaka ny olona tany Joda no niala tamin’i Jehovah, ka nanompo sampy. Niezaka nanampy an-dry zareo foana i Jehovah, ary naniraka mpaminany hiteny an-dry zareo fa tsy nihaino ry zareo. Nihomehezany fotsiny aza ny mpaminany. Dia ahoana no nanasazian’i Jehovah an-dry zareo?

I Nebokadnezara no mpanjakan’i Babylona tamin’izay. Nandresy firenena maro izy ary resiny koa i Jerosalema. Dia nentiny tany Babylona i Joiakina Mpanjaka, ny andriana, ny miaramila, ary ny mpanao asa tanana. Nentiny koa ny harena rehetra tao an-tranon’i Jehovah. I Zedekia avy eo no nataony mpanjakan’ny Joda.

Nankatò an’i Nebokadnezara i Zedekia tamin’ny voalohany. Niteny taminy anefa ny firenena teny akaiky teny sy ny mpaminany sandoka hoe: ‘Aza manaiky an’i Babylona izany.’ Dia hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: ‘Raha mikomy ianao, dia ho faty ny olona, ary hisy mosary sy aretina eto Joda.’

Rehefa nanjaka valo taona i Zedekia, dia nikomy tamin’i Babylona izy. Nangataka an’i Ejipta hanampy azy koa izy. Nalefan’i Nebokadnezara hanafika an’i Jerosalema àry ny miaramilany, dia nanodidina an’ilay tanàna ry zareo. Hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: ‘Raha manaiky resy ianao, hoy i Jehovah, dia tsy ho faty, ary tsy ho rava ity tanàna ity. Fa raha tsy izany, dia hodoran’ny Babylonianina i Jerosalema, ary hoentin-dry zareo ianao.’ Hoy anefa i Zedekia: ‘Tsy hanaiky resy izany aho!’

Tonga ny miaramila babylonianina herintaona sy tapany taorian’izay, ka nataony goaka be ny mandan’i Jerosalema. Nodorany koa ilay tanàna sy ny tempoly. Be dia be ny olona novonoiny, ary be dia be koa no nentiny ho any Babylona.

Nitsoaka i Zedekia nefa nenjehin’ny Babylonianina izy. Nosamborin-dry zareo tany akaikin’i Jeriko izy, dia nentiny tany amin’i Nebokadnezara. Nasain’ilay mpanjaka novonoina teo anatrehany ny zanany. Nopotsirin’i Nebokadnezara koa ny mason’i Zedekia. Nogadrainy izy avy eo, ary maty tany am-pigadrana. Hoy anefa i Jehovah: ‘Hoentiko mody eto Jerosalema ny vahoakako, rehefa afaka 70 taona.’

Nisy tanora koa nentina tany Babylona. Inona no nitranga tamin-dry zareo? Tsy hivadika amin’i Jehovah ve ry zareo?

“Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra, marina sy ara-drariny ny didim-pitsaranao.”—Apokalypsy 16:7