LESONA 61

Tsy Nety Niankohoka Izy Ireo

Tsy Nety Niankohoka Izy Ireo

Elaela tatỳ aoriana, dia nampanao sarivongana volamena ngezabe i Nebokadnezara Mpanjaka. Nataony teo amin’ny toerana anankiray atao hoe Dora ilay izy. Nasainy nankeo daholo ny olona ambony rehetra, anisan’izany i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia hoy ny mpanjaka: ‘Tsy maintsy miankohoka eo anatrehan’io sarivongana io daholo ianareo, raha vao henonareo ny feon’ny trompetra sy harpa ary sodina. Fa izay tsy mety miankohoka, dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mirehitra be.’ Hiankohoka ve ireo Hebreo telo lahy ireo, sa i Jehovah ihany no hivavahany?

Nasain’ny mpanjaka nalefa ny mozika. Dia niankohoka ny olona rehetra, afa-tsy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nisy nahita anefa ry zareo dia nisy nandaza tany amin’ny mpanjaka, hoe: ‘Tsy mety mivavaka amin’ilay sarivongana ange ireo Hebreo telo lahy e!’ Nampanantsoin’i Nebokadnezara ry zareo, dia hoy izy: ‘Asaiko haverina indray ilay mozika, dia mbola afaka mivavaka amin’ilay sarivongana ianareo. Fa raha tsy mety ianareo, dia hatsipiko ao anaty lafaoro. Tsisy andriamanitra hahavonjy anareo izany!’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsy mila averinao ilay mozika, ry mpanjaka ô. Afaka mamonjy anay mantsy ny Andriamanitray. Ary na tsy hamonjy aza izy, dia izahay tsy hivavaka amin’ilay sarivongana.’

Tezitra be i Nebokadnezara, dia hoy izy: ‘Ataovy faran’izay mahamay be ny lafaoro!’ Hoy koa izy tamin’ny miaramilany: ‘Fatory izy telo lahy ireo dia atsipazo ao!’ Nahamay be mihitsy ilay lafaoro, ka tonga dia maty ireo miaramila nanipy azy telo lahy. Rehefa nijery ny tao anatin’ilay lafaoro i Nebokadnezara avy eo, dia lehilahy efatra no hitany nandehandeha tao. Natahotra be izy, dia nanontany tamin’ny olona ambony hoe: ‘Fa angaha moa tsy olona telo no natsipitsika tao? Olona efatra anefa izao no hitako ao, ary hoatran’ny anjely ny anankiray.’

Nankeo akaikin’ilay lafaoro i Nebokadnezara, dia niantsoantso hoe: ‘Ry mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha tao ianareo.’ Gaga daholo ny olona nahita an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Tsy nisy may na ny hodiny na ny volony na ny akanjony, sady tsy nisy fofon’afo akory ry zareo.

Hoy i Nebokadnezara: ‘Tena mahery ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa nirahiny hamonjy an-dry zareo ny anjeliny. Tsisy andriamanitra hoatran’azy.’

Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah hoatran’izy telo lahy koa ve ianao, na inona na inona mitranga?

“I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” —Matio 4:10