Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 63

Ilay Soratra teo Amin’ny Rindrina

Ilay Soratra teo Amin’ny Rindrina

I Belsazara indray no lasa mpanjakan’i Babylona tatỳ aoriana. Nanao fety izy indray alina, ary nanasa olona ambony 1 000. Nasainy nalain’ny mpiasany ny kaopy volamena nentin’i Nebokadnezara avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Dia nisotro tamin’ireny kaopy ireny izy sy ny vahininy, sady nidera ny andriamaniny. Tampoka teo anefa dia nisy tanana nanoratra soratra hafahafa teo amin’ny rindrina.

Natahotra be i Belsazara, dia nantsoiny ny mpanao mazia ka hoy izy: ‘Izay mahay manazava ny dikan’io soratra io, dia hataoko mpitondra fahatelo eto Babylona.’ Nanandrana daholo ry zareo fa tsy nisy nahay. Dia tonga teo ny renin’ny mpanjaka, ka niteny hoe: ‘I Daniela no nahay nanazava zavatra hoatran’io tamin’i Nebokadnezara. Izy izao no mahay ny dikan’io.’

Rehefa tonga i Daniela, dia hoy i Belsazara taminy: ‘Raha hainao ny dikan’io soratra io, dia homeko rojo volamena ianao, ary hataoko mpitondra fahatelo eto Babylona.’ Dia hoy i Daniela: ‘Tsy mila an’izany aho. Holazaiko aminao ihany anefa ny dikan’io soratra io. Nanambony tena i Nebokadnezara dadanao, dia nataon’i Jehovah lasa ambany. Efa fantatrao izany, nefa mbola tsy nanaja an’i Jehovah ihany ianao, satria ny kaopy volamena avy tao amin’ny tempoliny no nisotroanao divay. Dia izao ilay soratra nosoratany: Mene, Mene, Tekela, ary Parsina. Ary izao no dikany: Ho resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona, ary tsy ho mpanjaka intsony ianao.’

Nahagaga izany satria hoatran’ny natanjaka be i Babylona. Matevina be mantsy ny mandany, ary nisy renirano lalina nanodidina azy. Nanafika an’ilay tanàna anefa ny Medianina sy ny Persianina iny alina iny. Navilin’i Kyrosy mpanjaka persianina ilay renirano, dia afaka nankeny amin’ny vavahady ny miaramilany, sady efa nisokatra ny vavahady! Niditra àry ry zareo dia resiny ilay tanàna. Novonoina i Belsazara, ary i Kyrosy indray no lasa mpanjakan’i Babylona.

Hoy i Kyrosy, herintaona taorian’izay: ‘Niteny tamiko i Jehovah hoe tokony hamboarina indray ny tempoliny any Jerosalema. Dia afaka mandeha any daholo izay vahoakany te hanamboatra an’ilay izy.’ Be dia be àry ny Jiosy nody tany Jerosalema, 70 taona taorian’ny nandravana azy. Marina tokoa ny tenin’i Jehovah! Naverin’i Kyrosy tany koa ny kaopy volamena sy volafotsy ary ny fitaovana nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly. Hita mihitsy hoe nampiasain’i Jehovah hanampy ny vahoakany i Kyrosy e?

“Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe, ka tonga fonenan’ny demonia.” —Apokalypsy 18:2