Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 64

Tao Anaty Lavaky ny Liona i Daniela

Tao Anaty Lavaky ny Liona i Daniela

Lasa mpanjaka tao Babylona i Dariosy Medianina tatỳ aoriana. Hitan’i Dariosy hoe tsy hoatran’ny olona ambony hafa i Daniela, ka nataony lehiben-dry zareo. Nialona an’i Daniela anefa ireo olona ambony ireo, ka te hamono azy. Fantatry ry zareo fa nivavaka tamin’i Jehovah intelo isan’andro i Daniela. Dia hoy ry zareo tamin’i Dariosy: ‘Mpanjaka ô, manaova lalàna ianao hoe tokony hivavaka aminao irery ihany ny olona rehetra. Fa izay tsy mety manao an’izany, dia hatsipy ao anaty lavaky ny liona.’ Nanaiky àry i Dariosy, dia nataony sonia ilay lalàna.

Tonga dia nankany an-tranony i Daniela, raha vao henony ilay lalàna vaovao. Nosokafany ny varavarankely, dia teo izy no nandohalika sy nivavaka tamin’i Jehovah. Nitsofoka tao an-tranony ireo olona nialona azy, dia nahita azy nivavaka. Dia nankany amin’i Dariosy haingana ry zareo, niteny hoe: ‘Mbola mivavaka amin’ny Andriamaniny intelo isan’andro ihany ange i Daniela e!’ Tian’i Dariosy i Daniela, dia tsy tiany ho faty. Nitady hevitra foana àry izy hanavotana azy. Na ny mpanjaka aza anefa tsy nahazo nanova lalàna efa nataony sonia. Tsy maintsy nasainy natsipy tao anatin’ilay lavaka feno liona masiaka àry i Daniela.

Niady saina be i Dariosy iny alina iny, ka tsy nahita tory. Vao maraina ny andro, dia nihazakazaka nankany amin’ilay lavaka izy ary niantsoantso hoe: ‘Namonjy anao ve ny Andriamanitrao, ry Daniela?’

Tonga dia namaly i Daniela hoe: ‘Nakombon’ny anjelin’i Jehovah ny vavan’ny liona, dia tsy naninona mihitsy aho.’ Faly be i Dariosy, dia nasainy navoaka tao anatin’ilay lavaka i Daniela. Tsy naratra mihitsy izy. Dia hoy ny mpanjaka: ‘Atsipazo ao anatin’ilay lavaka ireny olona tsy tia an’i Daniela ireny.’ Tonga dia lanin’ny liona ry zareo rehefa natsipy tao.

Namoaka didy i Dariosy avy eo hoe: ‘Tsy maintsy manaiky an’ilay Andriamanitr’i Daniela ny olona rehetra, satria izy namonjy azy tamin’ny liona.’

Ary ianao, mivavaka amin’i Jehovah isan’andro ve ianao, hoatran’ny nataon’i Daniela?

“Hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra.”—2 Petera 2:9