Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 65

Novonjen’i Estera ny Fireneny

Novonjen’i Estera ny Fireneny

Nisy ankizivavy jiosy atao hoe Estera nipetraka tao Sosana, tany Persa. Tany Jerosalema ny razambeny fa nentin’i Nebokadnezara niala tany. Nanana havana atao hoe Mordekay i Estera. Mpiasan’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa izy io, ary izy no nitaiza an’i Estera.

Nitady vady vaovao i Ahasoerosy tatỳ aoriana. Nentina tao aminy àry ny vehivavy tsara tarehy rehetra eran’ilay tany nanjakany, ka anisan’izany i Estera. Dia i Estera no nofidin’ny mpanjaka. Tsy navelan’i Mordekay hiteny i Estera hoe Jiosy izy.

Nisy lehilahy atao hoe Hamana, lehiben’ny olona ambony rehetra. Nanambony tena izy, ka tiany hiankohoka teo anatrehany ny olona rehetra. Tsy nety anefa i Mordekay. Tezitra be àry i Hamana dia te hamono azy. Rehefa fantatr’i Hamana fa Jiosy i Mordekay, dia tiany hovonoina koa ny Jiosy rehetra eran’ilay tany. Hoy izy tamin’ny mpanjaka: ‘Tena atahorana hanao zavatra ratsy be ireo Jiosy ireo, fa vonoy any daholo.’ Dia hoy i Ahasoerosy: ‘Ataovy izay tianao e!’ Navelany hanao lalàna i Hamana hoe tokony hovonoina daholo ny Jiosy rehetra, ny faha-13 amin’ny volana Adara. Hitan’i Jehovah anefa izany rehetra izany.

Tsy fantatr’i Estera hoe nisy an’izany lalàna izany. Nandefasan’i Mordekay an’ilay lalàna àry izy, sady nasainy nandeha niresaka tamin’ny mpanjaka. Fa hoy i Estera: ‘Hovonoina ho faty ange izay mankany amin’ny mpanjaka nefa tsy nasainy e! Izaho anefa izao efa 30 andro no tsy nasainy. Ao fa ho any ihany aho, dia ho hita eo raha tondroiny amin’ny tehiny. Raha tsy tondroiny moa, dia ho faty aho izany.’

Nankany amin’ny tokotanin’ny mpanjaka àry i Estera. Vao hitan’ny mpanjaka izy dia notondroiny tamin’ny tehiny, dia nanontaniany hoe: ‘Inona no ilainao ry Estera?’ Hoy izy: ‘Misy fety iray izay mba tiako hanasana anao sy Hamana.’ Rehefa tany ry zareo, dia nasain’i Estera hanatrika fety hafa indray. Nanontanian’ny mpanjaka indray izy tany hoe: ‘Inona no ilainao ry Estera?’ Dia hoy izy: ‘Vonjeo re izahay sy ny fireneko fa misy mitady hamono anay e!’ Dia hoy ny mpanjaka: ‘F’iza no te hamono anareo?’ Hoy i Estera: ‘Io Hamana ratsy saina io!’ Tezitra be i Ahasoerosy ka tonga dia nasainy novonoina i Hamana.

Tsy nisy afaka nanafoana an’ilay lalàna nataon’i Hamana anefa, na dia ny mpanjaka aza. Nataony lehiben’ny olona ambony rehetra àry i Mordekay, ka afaka nanao lalàna vaovao hoe mahazo miaro tena ny Jiosy rehefa misy manafika. Dia resin’ny Jiosy ny fahavalony, tamin’ny 13 Adara. Nanao fety foana ry zareo isan-taona, ho fahatsiarovana an’izany.

“Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.”—Matio 10:18