LESONA 66

Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah i Ezra

Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah i Ezra

Be dia be ny Israelita nody tany Jerosalema. Mbola nisy Israelita nipetraka tao amin’ny Fanjakana Persianina anefa, 70 taona teo ho eo taorian’izay. Anisan’izany i Ezra mpisorona, izay nampianatra ny Lalàn’i Jehovah. Henony hoe tsy nankatò ny Lalàna ny olona tany Jerosalema, dia te hanampy an-dry zareo izy. Hoy àry i Artaksersesy mpanjakan’i Persa taminy: ‘Nataon’Andriamanitra mahay mampianatra ny Lalàny ianao. Mandehana àry dia ento izay te hiaraka aminao.’ Nantsoin’i Ezra daholo izay te hody tany Jerosalema. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo mba harovany teny an-dalana, dia avy eo lasa.

Tonga tany Jerosalema ry zareo, rehefa afaka efa-bolana. Hoy ny olona ambony tany tamin’i Ezra: ‘Tsy nankatò an’i Jehovah ny Israelita fa nanambady vehivavy mpanompo sampy.’ Nandohalika teo anatrehan’ny vahoaka àry i Ezra, dia nivavaka hoe: ‘Tsara fanahy be aminay ianao, Jehovah, nefa izahay manota aminao foana.’ Dia nifona ny olona, nefa mbola nanao zavatra tsy mety ihany. Nifidy anti-panahy sy mpitsara hanampy an-dry zareo àry i Ezra. Rehefa afaka telo volana, dia noroahina izay rehetra tsy nety nivavaka tamin’i Jehovah.

Naorina indray ny mandan’i Jerosalema, tao anatin’ny 12 taona. Dia nasain’i Ezra nankeo amin’ny tany malalaka ny vahoaka. Nitsangana ry zareo rehefa nosokafan’i Ezra ny boky misy ny Lalàn’Andriamanitra. Nidera an’i Jehovah i Ezra, ary nanangan-tanana ny vahoaka satria faly. Novakin’i Ezra avy eo ny Lalàna sady nohazavainy. Nihaino tsara ny vahoaka, dia nifona fa nivadika tamin’i Jehovah indray, ary avy eo nitomany. Mbola novakin’i Ezra tamin’ny olona ny Lalàna ny ampitson’iny, ka fantatry ry zareo hoe efa tokony hanao ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ry zareo. Tonga dia niomana hanao an’ilay fety àry ry zareo.

Fito andro ilay fety, ary mbola tsy nisy fety hoatran’iny mihitsy tany Israely, taorian’ny andron’i Josoa. Faly sy nisaotra an’i Jehovah ny vahoaka fa be dia be ny vokatra. Dia nivory ry zareo avy eo ka nivavaka hoe: ‘Jehovah ô, andevo izahay no novonjenao, dia nomenao sakafo tany amin’ny tany karakaina, dia avy eo nomenao an’ity tany tsara be ity. Tsy nankatò anao foana anefa izahay. Nasainao niteny anay ny mpaminany, fa tsy nohenoinay. Nandefitra foana ianao satria nitana ny teninao tamin’i Abrahama. Mivoady izahay izao hoe hankatò anao amin’izay.’ Nosoratana ilay voady, dia nanisy tombo-kase an’ilay izy ny olona ambony sy ny Levita ary ny mpisorona.

‘Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany no sambatra!’—Lioka 11:28