LESONA 67

Ny Mandan’i Jerosalema

Ny Mandan’i Jerosalema

Hojerentsika indray izay nitranga tamin’ny andron’i Nehemia. Israelita nipetraka tao Sosana, tany Persa, i Nehemia, ary mpiasan’i Artaksersesy Mpanjaka. Tonga avy tany Joda ny rahalahin’i Nehemia, dia nilaza vaovao ratsy hoe: ‘Tsy voaro ny olona nody any Jerosalema, satria mbola tsy vita ny manda sy ny vavahady noravan’ny Babylonianina.’ Nalahelo i Nehemia ka te ho any Jerosalema. Nivavaka àry izy mba havelan’ny mpanjaka handeha.

Tatỳ aoriana dia hitan’ny mpanjaka fa nalahelo i Nehemia. Dia hoy ny mpanjaka: ‘Mbola tsy hitako hoatr’izao mihitsy ianao. Fa misy inona?’ Hoy i Nehemia: ‘Malahelo aho fa mbola rava i Jerosalema tanànanay.’ Dia hoy ny mpanjaka: ‘Inona àry no tianao hataoko?’ Tonga dia nivavaka mangina i Nehemia. Hoy izy avy eo: ‘Mba avelao aho ho any Jerosalema mba hanamboatra ny manda.’ Navelan’ny mpanjaka handeha i Nehemia, sady nomeny miaramila hiaro azy teny an-dalana. Notendren’ny mpanjaka ho governoran’i Joda koa izy, sady nomeny hazo hanaovana ny vavahadin’i Jerosalema.

Rehefa tonga tany Jerosalema i Nehemia, dia nojereny tsara ny manda. Nantsoiny avy eo ny mpisorona sy ny olona ambony. Dia hoy izy: ‘Tena mila amboarina ny manda!’ Nanaiky an’izany ny olona dia nanomboka nanamboatra an’ilay izy.

Nisy fahavalon’ny Israelita anefa nanesoeso hoe: ‘Malemy kely io manda ataonareo io fa donin’ny alika io dia mianjera.’ Tsy noraharahain’ny Israelita anefa izany fa notohizany ihany ny asa, dia lasa avo be sy ngezabe ilay manda.

Dia nanao tetika ny fahavalo hoe: ‘Andao isika hanodidina an’i Jerosalema dia hotafihintsika tampoka ry zareo.’ Henon’ ny Jiosy ilay tetika ka natahotra ry zareo. Hoy anefa i Nehemia: ‘Aza matahotra fa ampian’i Jehovah isika.’ Nasian’i Nehemia mpiambina koa teny rehetra teny mba hiaro ny mpiasa, ka tsy afaka nanafika ny fahavalo.

Tao anatin’ny 52 andro fotsiny dia vita ny manda sy ny vavahady. Dia nanao fety ry Nehemia, ka nasainy ho any Jerosalema daholo ny Levita. Dia nozarainy ho antoko mpihira roa ry zareo. Niakatra teo ambony manda ry zareo, teo amin’ny tohatra akaikin’ny Vavahadin-doharano. Nisaraka ry zareo avy eo, ka i Ezra no niaraka tamin’ilay antoko anankiray, fa i Nehemia kosa niaraka tamin’ny anankiray. Samy nanao hira ho an’i Jehovah ireo antoko roa ireo, sady nitsoka trompetra sy nitendry kipantsona sy harpa. Nihaona teo amin’ny tempoly ry zareo tamin’ny farany. Nanao sorona ho an’i Jehovah ny olona rehetra na lahy na vavy na ankizy. Faly be ry zareo ka henon’ny olona hatrany lavitra ny feony.

“Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.”—Isaia 54:17