Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 68

Niteraka i Elizabeta

Niteraka i Elizabeta

Nipetraka tany akaikin’i Jerosalema i Zakaria mpisorona sy Elizabeta vadiny, 400 taona taorian’ny nahavitan’ny mandan’ilay tanàna. Efa ela be ry zareo no mpivady nefa tsy nanan-janaka. Nanolotra zavatra manitra tao amin’ny toerana masina tao an-tempoly i Zakaria, indray andro. Niseho taminy ny anjely Gabriela tamin’izay. Natahotra i Zakaria, nefa hoy i Gabriela: ‘Aza matahotra fa nirahin’i Jehovah hilaza vaovao tsara aminao aho. Hiteraka lahikely i Elizabeta vadinao, dia hatao hoe Jaona ny anarany. Ary nofidin’i Jehovah hanao asa miavaka izy.’ Dia hoy i Zakaria: ‘Izaho kosa aloha tsy mino an’izany e! Izahay mivady ange efa antitra e!’ Hoy i Gabriela: ‘Andriamanitra mihitsy no naniraka an’ahy ho atỳ aminao. Fa noho ianao tsy nino ny teniko, dia tsy ho afaka hiteny ianao mandra-pahaterak’ilay zaza.’

Nijanona elaela tao an-tempoly tsy hoatran’ny mahazatra i Zakaria. Rehefa nivoaka izy, dia tian’ny olona ho fantatra hoe inona no nitranga. Tsy afaka niteny anefa i Zakaria fa nahetsiketsiny fotsiny ny tanany. Fantatry ny olona àry fa nisy tenin’Andriamanitra nampitaina taminy.

Bevohoka tokoa i Elizabeta dia niteraka lahikely, araka ny tenin’ilay anjely. Tonga hijery an’ilay zaza ny havany sy namany sady faly be. Hoy i Elizabeta: ‘Jaona no anarany.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsisy havanareo manana anarana hoe Jaona, fa ataovy hoe Zakaria hoatran’ny dadany ihany izy.’ Nanoratra anefa i Zakaria hoe: ‘Jaona no anarany.’ Dia afaka niteny indray izy tamin’izay. Gaga daholo ny olona eran’i Jodia rehefa naheno momba an’ilay zaza. Hoy ry zareo: ‘Hanao ahoana re io zaza io e?’

Feno fanahy masina i Zakaria tamin’izay. Dia naminany izy hoe: ‘Hoderaina i Jehovah, fa efa niteny tamin’i Abrahama izy hoe handefa ny Mesia mba hamonjy antsika. Ho mpaminany i Jaona, dia hanomana ny lalana ho an’ny Mesia izy.’

Nisy zavatra hafakely koa nitranga tamin’i Maria, izay havan’i Elizabeta. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka izany.

“Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—Matio 19:26