Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 71

Narovan’i Jehovah i Jesosy

Narovan’i Jehovah i Jesosy

Tany amin’ny tany iray tany atsinanan’i Israely, dia nino ny olona hoe afaka mitari-dalana azy ny kintana. Nisy lehilahy vitsivitsy avy any, nahita hoatran’ny kintana nazava be nandeha teny amin’ny lanitra, indray alina. Narahin-dry zareo ilay izy dia tonga tany Jerosalema ry zareo. Nanontanian-dry zareo ny olona tany hoe: ‘Aiza kay ilay zaza ho lasa mpanjakan’ny Jiosy? Tonga hiankohoka eo anatrehany mantsy izahay.’

I Heroda no mpanjakan’i Jerosalema tamin’izay. Rehefa henony hoe hisy mpanjaka vaovao, dia niady saina be izy. Nanontaniany àry ny lehiben’ny mpisorona hoe: ‘Aiza, hono, no teraka izany mpanjaka izany?’ Dia hoy ry zareo: ‘Any Betlehema, hoy ny mpaminany.’ Nantsoin’i Heroda àry ireo lehilahy avy any Atsinanana, dia hoy izy: ‘Mandehana mankany Betlehema, dia tadiavo ilay zaza. Miverena atỳ avy eo milaza amiko hoe aiza izy, fa mba te hiankohoka eo anatrehany koa aho.’ Lainga anefa izany.

Nandeha indray ilay “kintana”, dia nitarika an’ireo lehilahy ireo nankany Betlehema. Nijanona teo ambonin’ny trano anankiray ilay izy. Niditra tao àry ry zareo dia nahita an’i Jesosy sy Maria reniny. Niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ry zareo, dia nanome azy volamena sy emboka manitra ary miora. I Jehovah tokoa ve anefa no naniraka an’ireo lehilahy ireo? Tsia.

Niteny tamin’i Josefa tao amin’ny nofy i Jehovah ny alin’iny hoe: ‘Ento mandositra any Ejipta ny vady aman-janakao, fa tian’i Heroda hovonoina i Jesosy. Dia aza miala any raha tsy rehefa teneniko.’ Tonga dia nankany Ejipta àry i Josefa sy ny fianakaviany.

Notenenin’i Jehovah ireo lehilahy avy any Atsinanana hoe: ‘Aza miverina any amin’i Heroda.’ Tezitra be àry i Heroda rehefa tsy niverina ry zareo. Tsy hitany hoe aiza no misy an’i Jesosy, ka nasainy novonoina daholo ny zazalahy rehetra nitovy taona tamin’i Jesosy tao Betlehema. I Jesosy anefa efa tany Ejipta tamin’izay.

Rehefa maty i Heroda, dia hoy i Jehovah tamin’i Josefa: ‘Afaka mody amin’izay ianareo.’ Niverina tany Israely àry i Josefa sy Maria ary Jesosy, ary lasa nipetraka tao Nazareta.

‘Dia ho toy izany ny teny aloaky ny vavako, fa hahomby amin’izay andefasako azy.’ —Isaia 55:11