LESONA 75

Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly

Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly

Rehefa vita batisa i Jesosy, dia nentin’ny fanahy masina tany amin’ny tany karakaina. Tsy nihinana na inona na inona izy nandritra ny 40 andro ka noana be. Dia tonga haka fanahy azy ny Devoly ka niteny hoe: ‘Raha Zanak’Andriamanitra ianao, dia ovao ho mofo ireo vato ireo.’ Nanonona andinin-teny i Jesosy sady namaly hoe: ‘Voasoratra hoe tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy, fa ilainy koa ny mihaino ny tenin’i Jehovah.’

Hoy indray ny Devoly tamin’i Jesosy: ‘Raha Zanak’Andriamanitra ianao, dia mitsambikìna avy eo an-tampon’ny tempoly. Fa voasoratra hoe handefa anjely hamonjy anao Andriamanitra.’ Mbola nanonona andinin-teny ihany i Jesosy. Hoy izy: ‘Voasoratra hoe aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.’

Farany, dia nasehon’i Satana an’i Jesosy ny fanjakana rehetra teto an-tany. Nanan-karena be ireny fanjakana ireny sady nalaza. Dia hoy izy: ‘Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha mivavaka amiko indray mandeha fotsiny ianao.’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Mandehana ianao ry Satana! Fa voasoratra hoe i Jehovah irery ihany no tokony hivavahanao.’

Dia lasa nandeha ny Devoly, ary nisy anjely tonga nanome sakafo an’i Jesosy. Nanomboka teo dia nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana i Jesosy. Izany mantsy no nanirahana azy tetỳ an-tany. Tian’ny olona ny zavatra nampianariny, ka nanaraka azy hatraiza hatraiza ry zareo.

“Rehefa mandainga [ny Devoly], dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.”—Jaona 8:44