Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 81

Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra

Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra

Avy nifidy ny apostoly 12 i Jesosy tamin’izay. Nidina avy teny an-tendrombohitra izy ary nankeny amin’ny vahoaka. Nisy tamin-dry zareo ireo avy any Galilia, Jodia, Tyro, Sidona, Syria, ary avy any ampitan’i Jordana. Nitondra olona narary sy nampijalijalin’ny demonia ry zareo, ary nositranin’i Jesosy daholo ireny. Nipetraka teo amin’ilay tendrombohitra i Jesosy avy eo, ary nanao toriteny. Nohazavainy izay tokony hatao raha te ho naman’Andriamanitra isika. Tokony hahatsapa hoe mila an’i Jehovah, hono, isika ary hiezaka ho tia azy. Tsy ho tia azy anefa isika raha tsy tia olona. Tokony ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra àry isika, na dia amin’ny olona tsy tia antsika aza.

Hoy koa i Jesosy: ‘Tsy izay namanao ihany no tokony ho tianao, fa izay tsy tia anao koa. Tokony hamela heloka amin’ny fo ianao. Dia raha misy olona tezitra aminao, dia mandehana haingana mifona aminy. Ataovy amin’ny olona izay tianao hataony aminao.’

Ary ahoana ny amin’ny vola sy fananana? Hoy i Jesosy: ‘Aleo naman’i Jehovah toy izay manankarena be. Mety hisy hangalatra mantsy ny volanao. Ianao anefa rehefa naman’i Jehovah dia ampiany foana. Aza miady saina be hoe inona no hohaninao, na hosotroinao, na hotafinao, fa na ny vorona aza omen’Andriamanitra sakafo ampy foana. Raha miady saina mantsy ianao, dia tsy ho lasa ela velona akory. Tadidio fa fantatr’i Jehovah izay ilainao.’

Mbola tsy naheno olona nampianatra hoatran’i Jesosy ny vahoaka. Tsy mba nampianarin’ny mpitondra fivavahana an-dry zareo mantsy izany. Nahoana i Jesosy no nahay nampianatra? Satria avy amin’i Jehovah ny zavatra nampianariny.

“Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.”—Matio 11:29