Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 82

Nampianatra Hivavaka i Jesosy

Nampianatra Hivavaka i Jesosy

Isaky ny nanao zavatra tsara ny Fariseo, dia nataony hitan’ny olona foana ilay izy amin’izay izy derain’ny olona. Nivavaka teny amin’ny toerana be olona, ohatra, ry zareo. Nanao tsianjery vavaka lava be ry zareo, dia ireny no naverimberiny tany amin’ny synagoga sy teny an-tsisin-dalana, amin’izay mba henon’ny olona. Gaga àry ny olona rehefa niteny i Jesosy hoe: ‘Aza mivavaka hoatran’ny Fariseo. Heverin-dry zareo hoe faly Andriamanitra rehefa manao vavaka lava be izy. Diso hevitra anefa ry zareo. Ianao sy Jehovah ihany no tokony hahalala ny vavaka ataonao. Dia aza atao tsianjery ny vavaka. Tena tian’i Jehovah ilay izy rehefa avy amin’ny fo.

‘Hoatr’izao atao rehefa mivavaka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”’ Nasain’i Jesosy hangataka ny sakafo isan’andro koa ry zareo, hangataka famelan-keloka, ary hiresaka ny olana mahazo azy.

Hoy koa i Jesosy: ‘Mivavaha foana amin’i Jehovah Raintsika, dia mangataha zavatra tsara aminy. Manome zavatra tsara ho an’ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy homenareo vato, ohatra, ny zanakareo raha mangataka mofo, ary tsy homenareo bibilava raha mangataka trondro.’

Nanazava i Jesosy avy eo hoe: ‘Raha ianareo aza manome zavatra tsara ho an’ny zanakareo, koa mainka moa fa i Jehovah Rainareo! Tena homeny fanahy masina tokoa ianareo, fa mila mangataka aminy fotsiny.’ Manao an’izany ve ianao? Inona ny zavatra resahinao rehefa mivavaka ianao?

“Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.”—Matio 7:7