Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 84

Nandeha teo Ambony Rano i Jesosy

Nandeha teo Ambony Rano i Jesosy

Nahavita nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty i Jesosy. Vitany koa anefa ny nibaiko ny rivotra sy ny orana. Avy nivavaka teny an-tendrombohitra izy, dia hitany hoe nisy tafio-drivotra be teny amin’ny Ranomasin’i Galilia, nefa tao anaty sambokely ny apostoly. Novoizin-dry zareo mafy ilay sambo ary sahirana be ry zareo, satria nifofofofo be ny rivotra. Dia nankeny amin-dry zareo i Jesosy, ka nandeha teo ambony ranomasina. Natahotra ny apostoly nahita azy. Hoy anefa izy: ‘Izaho ihany ity fa aza matahotra.’

Dia hoy i Petera: ‘Tompo ô, asaivo mankeny aho raha ianao tokoa io.’ Hoy i Jesosy: ‘Avia àry e!’ Sahy niala tao anaty sambo i Petera ary nandeha teo ambony rano, dia nankeny amin’i Jesosy. Nijery an’ilay tafio-drivotra anefa izy rehefa akaiky an’i Jesosy, ka natahotra ary nanomboka nilentika. Dia niantsoantso izy hoe: ‘Vonjeo aho Tompo ô!’ Noraisin’i Jesosy àry ny tanany sady hoy izy: ‘Maninona ianao no nisalasala sy tsy ampy finoana?’

Niakatra tao anaty sambo i Jesosy sy Petera, ary tonga dia nijanona ilay tafio-drivotra. Dia ahoana hoy ny apostoly nahita an’izany? Hoy ry zareo: ‘Tena Zanak’Andriamanitra marina ianao!’

Tsy tamin’iny ihany i Jesosy no nanao hoatr’izany. Nandeha sambo izy sy ny apostoly, indray mandeha, ary natory tao aoriana i Jesosy. Nisy tafio-drivotra be avy eo. Nanonja be ny ranomasina, ary tafiditry ny rano ilay sambo. Nofohazin’ny apostoly i Jesosy, dia hoy ry zareo: ‘Mpampianatra ô, ho faty isika androany! Mba ampio izahay!’ Nifoha i Jesosy ka niteny tamin’ny ranomasina hoe: “Mangìna!” Tonga dia tony ny ranomasina sy ny rivotra. Dia hoy i Jesosy: ‘Fa maninona ianareo no tsy ampy finoana?’ Dia nifampiresaka ry zareo hoe: ‘Na ny rivotra sy ny ranomasina aza ve rangahy manaiky an’azy!’ Lasa fantatry ny apostoly hoe raha tena matoky an’i Jesosy ry zareo, dia tsy tokony hatahotra na inona na inona.

“Inona no ho niafarako raha tsy nino aho hoe hahita ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amin’ny tanin’ny velona?”—Salamo 27:13