Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 85

Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy

Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy

Tsy tia an’i Jesosy ny Fariseo ka nitady hevitra hisamborana azy. Tsy tokony hanasitrana marary, hono, i Jesosy rehefa Sabata. Nahita lehilahy jamba sady mpangataka teny an-dalana anefa i Jesosy indray Sabata izay. Dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Jereo fa ho sitrana izao io lehilahy io noho ny herin’Andriamanitra.’ Naka vovoka i Jesosy dia nasiany rora, dia iny no nataony teo amin’ny mason’ilay lehilahy. Hoy i Jesosy: ‘Mandehana sasao any amin’ny dobon’i Siloama ny masonao.’ Dia nataon’ilay lehilahy izany ka nahita izy. Sambany izy vao nahita!

Gaga be ny olona! Dia hoy ry zareo: ‘Tsy io ve ilay mpangataka iny, sa olona mitovy aminy fotsiny io?’ Hoy ilay lehilahy: ‘Ie, izaho iny!’ Dia hoy ny olona: ‘Fa maninona ianao no lasa mahita?’ Notantarainy an-dry zareo izay nitranga taminy, ka nentin-dry zareo tany amin’ny Fariseo izy.

Dia hoy ilay lehilahy tamin’ny Fariseo: ‘Nasian’i Jesosy zavatra ny masoko dia nasainy nosasako ilay izy, dia izao aho mahita.’ Hoy ny Fariseo: ‘Sabata ve ny andro dia manasitrana i Jesosy? Tena tsy avy amin’Andriamanitra ny hery nanaovany an’izany.’ Nisy anefa niteny hoe: ‘Izy ve dia ho nahavita an’izany raha tsy avy amin’Andriamanitra ny heriny?’

Nantsoin’ny Fariseo ny ray aman-drenin’ilay lehilahy dia nanontaniany hoe: ‘Ahoana no nahatonga ny zanakareo hahita?’ Natahotra be ry zareo satria efa niteny ny Fariseo hoe izay olona mino an’i Jesosy, dia horoahina ao amin’ny synagoga. Dia hoy ry zareo: ‘Tsy hainay fa anontanio an’azy.’ Mbola nanontany an’ilay lehilahy foana ny Fariseo. Dia hoy izy: ‘Efa izay noteneniko izay daholo. Fa maninona ianareo no mbola manontany foana?’ Tezitra be ny Fariseo ka nandroaka azy.

Nandeha nankany amin’ilay lehilahy i Jesosy, ary nanontany azy hoe: ‘Mino ny Mesia ve ianao?’ Dia hoy izy: ‘Ie, raha ohatra ka fantatro izy.’ Hoy i Jesosy: ‘Izaho no Mesia.’ Tena tsara be ny nataon’i Jesosy. Sady nanasitrana an’ilay lehilahy mantsy izy no nanampy azy hanana finoana.

“Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.”—Matio 22:29