LESONA 94

Nahazo Fanahy Masina ny Mpianatra

Nahazo Fanahy Masina ny Mpianatra

Pentekosta taona 33 tamin’izay, ary efa folo andro izay i Jesosy no niakatra tany an-danitra. Nisy olona avy any amin’ny firenena samy hafa tonga hanao fety tao Jerosalema. Ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo kosa nivory tao amin’ny efitrano anankiray ambony rihana. Mahagaga ny zavatra nitranga avy eo. Nahazo ny fanahy masina ireo mpianatra ireo. Nisy feo mafy hoatran’ny rivotra mahery nifofofofo tao amin’ilay efitrano. Dia iny fa nisy zavatra hoatran’ny lelafo niseho teo ambony lohan’ny tsirairay tamin-dry zareo. Lasa nahay fiteny be dia be àry ry zareo.

Henon’ny olona tonga tao Jerosalema ilay feo, ka lasa haingana ry zareo nijery an’izay nitranga. Gaga be ry zareo naheno ny mpianatra nahay ny fitenin-dry zareo. Dia hoy ry zareo: ‘Fa angaha moa tsy avy any Galilia ireo olona ireo? Fa ahoana koa no nahaizan-dry zareo ny fitenintsika?’

Nitsangana teo anoloan’ireo olona ireo i Petera sy ny apostoly hafa. Noresahin’i Petera tamin-dry zareo hoe ahoana no namonoana an’i Jesosy sy hoe efa natsangan’i Jehovah izy. Dia hoy i Petera: ‘Efa any an-danitra izao i Jesosy ary eo ankavanan’Andriamanitra izy. Dia nandatsaka ny fanahy masina izy, araka ny efa noteneniny. Izany no mahatonga an’izao zavatra hitanareo sy henonareo izao.’

Tena tian’ny olona ny tenin’i Petera, ka hoy ry zareo: ‘Inona kay no tokony hataonay?’ Dia hoy izy: ‘Mila mibebaka ianareo, dia hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy. Hahazo ny fanahy masina koa ianareo.’ Olona 3 000 teo ho eo no natao batisa tamin’iny andro iny. Taorian’izay dia lasa be dia be ny mpianatra tao Jerosalema. Nahazo ny fanahy masina ny apostoly dia afaka nanampy an’ireny mpianatra ireny ho lasa fiangonana, sy nampianatra azy ireny an’izay notenenin’i Jesosy.

“Raha ambaranao ampahibemaso izany ‘teny eo am-bavanao’ izany ka lazainao fa i Jesosy no Tompo, ary inoanao ao am-po fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.”—Romanina 10:9