Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 97

Nahazo Fanahy Masina i Kornelio

Nahazo Fanahy Masina i Kornelio

Lehiben’ny miaramila romanina tao Kaisaria i Kornelio. Tsy Jiosy izy nefa nanaja azy ny Jiosy. Tena tia nanampy ny mahantra sy ny sahirana mantsy izy. Nino an’i Jehovah koa izy, sady nivavaka taminy foana. Indray andro, dia nisy anjely niresaka taminy hoe: ‘Henon’Andriamanitra ny vavaka nataonao. Maniraha olona hankany Jopa, any amin’i Petera, dia asaivo mankatỳ aminao izy.’ Tonga dia naniraka lehilahy anankitelo i Kornelio hankany Jopa. Tany amin’ny 48 kilaometatra teo ho eo tany atsimo i Jopa.

Nahita fahitana i Petera tamin’io fotoana io. Nahita biby tsy azon’ny Jiosy nohanina izy, nefa nisy feo niteny taminy hoe hano ilay izy. Tsy nety i Petera sady hoy izy: ‘Mbola tsy nihinana biby maloto izany mihitsy aho.’ Dia hoy indray ilay feo: ‘Aza atao hoe maloto ireo biby ireo fa efa nataon’Andriamanitra madio. Misy lehilahy anankitelo ao am-baravaranao ao, dia ’ndana miaraka aminy.’ Nanontanian’i Petera izy telo lahy hoe: ‘Fa maninona atỳ ianareo?’ Dia hoy ry zareo: ‘Nirahin’i Kornelio, lehiben’ny miaramila romanina, izahay, mba haka anao ho any aminy.’ Nasain’i Petera natory tao aminy izy telo lahy ny alin’iny, dia lasa nankany Kaisaria ry zareo ny ampitso. Nisy Kristianina vitsivitsy avy ao Jopa koa niaraka taminy.

Vao nahita an’i Petera i Kornelio dia nandohalika teo alohany. Hoy anefa i Petera: ‘Mitsangàna fa izaho ange olona hoatr’anao ihany e! Izaho izao nasain’Andriamanitra nankatỳ aminao, dia nankatỳ. Izahay Jiosy anefa tsy miditra ao an-tranon’ny olona tsy Jiosy izany. Fa inona no itadiavanao an’ahy?’

Dia hoy i Kornelio tamin’i Petera: ‘Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, efatra andro lasa izay, dia nasain’ny anjely naniraka olona haka anao ho atỳ amiko. Ao izahay mba ampianaro ny tenin’i Jehovah.’ Dia hoy i Petera: ‘Izao vao fantatro hoe tsy manavakavaka Andriamanitra. Tiany daholo izay te hanompo azy.’ Nampianarin’i Petera zavatra be dia be momba an’i Jesosy i Kornelio sy ny olona tao aminy. Nahazo fanahy masina avy eo ry zareo, dia natao batisa daholo.

‘Amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra an’Andriamanitra ka manao ny marina no ankasitrahany.’—Asan’ny Apostoly 10:35