Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 99

Mpiambina Fonja Lasa Kristianina

Mpiambina Fonja Lasa Kristianina

Nisy demonia ny ankizivavy anankiray tany Filipy, ka nahay nilaza ny hoavy. Nahazo vola be àry ny tompony. Narahin’ilay ankizivavy foana i Paoly sy Silasy tamin-dry zareo tany Filipy, ary nasain’ilay demonia nikiakiaka izy hoe: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ireo lehilahy ireo!” Farany dia hoy i Paoly tamin’ilay demonia: ‘Amin’ny anaran’i Jesosy, mivoaha amin’io ankizivavy io!’ Dia lasa ilay demonia.

Tezitra be ny tompon’ilay ankizivavy satria tsy hahazo vola be intsony. Nentin-dry zareo tany amin’ny manam-pahefana àry i Paoly sy Silasy. Dia hoy ry zareo: ‘Nandika lalàna ireo lehilahy ireo sady manakorontana ny tanàna.’ Nasain’ny manam-pahefana nokapohina àry i Paoly sy Silasy, dia avy eo nogadraina. Natao tany anatiny indrindra tamin’ilay fonja ry zareo ary maizina be tao. Nasiana boloky hazo koa ry zareo.

Nihira fiderana an’i Jehovah i Paoly sy Silasy tao am-ponja, ary nihaino an-dry zareo ny mpigadra hafa. Nisy horohoron-tany tampoka tamin’ny 12 alina ka nihozongozona be ny fonja. Nivoha daholo ny varavarana, ary nivaha ny rojo vy sy ny boloky hazo tamin’ireo gadra. Nandeha haingana tany anatiny be tamin’ilay fonja ilay mpiambina, ka hitany fa nivoha daholo ny varavarana. Nieritreritra izy hoe tafatsoaka ny gadra rehetra ka saika hamono tena izy.

Niantsoantso anefa i Paoly hoe: ‘Aza mamono tena fa ato daholo izahay!’ Tonga dia nandohalika teo an-tongotr’i Paoly sy Silasy izy. Dia hoy izy: ‘Inona no tokony hataoko, amin’izay izaho voavonjy?’ Hoy izy roa lahy: ‘Mila mino an’i Jesosy ianao sy ny fianakavianao.’ Dia nampianarin’i Paoly sy Silasy ny tenin’i Jehovah ry zareo ary natao batisa daholo.

“Hisambotra sy hanenjika anareo ny olona, ka hanolotra anareo any amin’ny synagoga sy any am-ponja, ary hitondra anareo eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora, noho ny anarako. Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany.”—Lioka 21:12, 13