LESONA 100

Paoly sy Timoty

Paoly sy Timoty

Ankizilahy tao amin’ny fiangonan’i Lystra i Timoty. Grika ny dadany ary Jiosy ny mamany. Tamin’i Timoty mbola kely, dia efa nampianatra azy momba an’i Jehovah i Eonika mamany sy Loisa bebeny.

Nitsidika tany Lystra indray i Paoly tatỳ aoriana, ka hitany fa tena tia an’ireo mpiara-manompo i Timoty, ary tena tia manampy an-dry zareo. Nasain’i Paoly niaraka taminy àry i Timoty. Nampian’i Paoly izy ka lasa nahay nitory sy nampianatra ny vaovao tsara.

Ny fanahy masina no nitarika an’i Paoly sy Timoty tany amin’izay rehetra nalehan-dry zareo. Indray alina, dia nisy lehilahy anankiray niresaka tamin’i Paoly tao amin’ny fahitana, hoe: ‘Mba ampio izahay atỳ Makedonia.’ Nankany àry i Paoly, Timoty, Silasy, ary Lioka mba hitory. Nampiany avy eo izay lasa mpianatra mba ho lasa fiangonana.

Tanàna tany Makedonia i Tesalonika. Be dia be ny olona tao no lasa Kristianina. Nialona an’i Paoly sy ny namany anefa ny Jiosy sasany. Namory vahoaka àry ry zareo ka notaritaritiny nankany amin’ny manam-pahefana ry Paoly. Dia niantsoantso ry zareo hoe: ‘Manohitra ny fanjakana romanina ireto lehilahy ireto!’ Saika maty i Paoly sy Timoty tamin’izay ka nitsoaka tany Beria ny alin’iny.

Tena tia ny vaovao tsara ny olona tao Beria, ary lasa nino an’i Jesosy na Jiosy na Grika. Nisy Jiosy avy any Tesalonika anefa nanakorontana tao, ka lasa nankany Atena i Paoly. Nijanona tao Beria kosa i Timoty sy Silasy mba hampahery ny mpiara-manompo tao. Nasain’i Paoly niverina tany Tesalonika i Timoty tatỳ aoriana. Nenjehina mafy mantsy ny mpiara-manompo tany. Nalefan’i Paoly hitsidika sy hampahery fiangonana hafa i Timoty taorian’izay.

Hoy i Paoly tamin’i Timoty: ‘Izay te hanompo an’i Jehovah dia tsy maintsy hisy hanenjika.’ Nenjehina tokoa i Timoty ary nogadraina. Faly anefa izy satria afaka nampiseho hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah.

Hoy i Paoly tamin’ny Filipianina: ‘Alefako any aminareo i Timoty. Dia izy no hampianatra anareo hoe hoatran’ny ahoana izany manompo an’i Jehovah izany. Hampianatra anareo hitory koa izy.’ Tena natoky an’i Timoty i Paoly satria mpinamana be ry zareo sady efa ela be no niara-niasa.

“Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo. Ny hafa rehetra mantsy samy mitady ny ho an’ny tenany ihany, fa tsy ny ho an’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 2:20, 21