Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 103

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”

Efa nampanantena i Jehovah hoe: ‘Tsy hisy intsony ny tomany sy fijaliana sy aretina ary fahafatesana. Hofafako ny ranomaso rehetra. Ary ho hadino daholo ny zavatra ratsy rehetra taloha.’

Nataon’i Jehovah tao amin’ny zaridainan’i Edena i Adama sy Eva, ary tiany hiadana sy ho sambatra. Tokony hivavaka amin’ilay Rainy any an-danitra ry zareo, ary tokony hiteraka mba ho feno olona ny tany. Tsy nankatò an’i Jehovah anefa i Adama sy Eva. Na izany aza, dia tsy niova ny zavatra tian’i Jehovah hatao. Hitantsika tato amin’ity boky ity fa tanteraka foana ny teniny. Hitondra zavatra tsara be dia be eto an-tany àry ny Fanjakany, araka ny teniny tamin’i Abrahama.

Tsy ho ela dia horinganina i Satana sy ny demonia ary ny olona ratsy rehetra. Hanompo an’i Jehovah daholo ny olona eto an-tany. Tsy harary na ho faty intsony isika amin’izay, fa ho falifaly sy havitribitrika erỳ isaky ny mifoha maraina. Ho lasa paradisa ny tany manontolo. Hanana sakafo mahasalama sy trano tsara ny rehetra. Ho tsara toetra daholo koa ny olona fa tsy hahery setra intsony. Tsy hatahotra biby koa isika ary ny biby tsy hatahotra antsika.

Ho faly be koa isika rehefa hatsangan’i Jehovah ny maty. Ho hitantsika indray ny olona taloha, ohatra hoe i Abela, Noa, Abrahama, Saraha, Mosesy, Rota, Estera, ary Davida. Hiaraka amintsika hanova ny tany ho paradisa ry zareo. Hisy asa tsara be dia be hatao foana amin’izay.

Tian’i Jehovah ho any amin’ny Paradisa ianao. Be dia be ny zavatra ho fantatrao momba azy amin’izay. Miezaha àry ho naman’i Jehovah foana isan’andro isan’andro, dia ho namany mandrakizay ianao!

“Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao.”—Apokalypsy 4:11