Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry mpiara-manompo malala:

Mpivavaka amin’i Jehovah isika dia tiantsika ny Teniny, na ny Baiboly. Matoky mantsy isika fa tena marina ny tantara hita ao, ary azo ampiharina ny tari-dalana omeny. Tena tia ny olona i Jehovah matoa izy nanome ny Baiboly. (Salamo 119:105; Lioka 1:3; 1 Jaona 4:19) Tena tianay ny hanampy ny olona hahafantatra ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka namoaka an’ity boky hoe Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly ity izahay. Andao ange hojerentsika kely ny zavatra hita ato e!

Natao ho an’ny ankizy ity boky ity. Afaka manampy ny olon-dehibe koa anefa izy ity, raha tiany ny hianatra bebe kokoa ny Baiboly. Natao ho an’ny olona rehetra mantsy ny Tenin’Andriamanitra. Hahasoa antsika sady hanampy antsika ho sambatra àry ny mianatra an’ity boky ity.

Avy ao amin’ny Baiboly ny tantara ato amin’ity boky ity, ary resahina ato ny namoronana ny olombelona sy izay nitranga taorian’izay. Natao tsotra sy mora azo ireo tantara, ary natao milahatra arakaraka ny fotoana nisehoany, raha mbola azo natao koa.

Tsy hoe tantara tsotra fotsiny anefa no hita ato, fa misy sary koa, amin’izay hoatran’ny hoe tena iainantsika mihitsy ilay tantara. Natao velombelona koa ilay izy, dia hoatran’ny hoe tsapantsika mihitsy ny fihetseham-pon’ny olona ao amin’ilay izy.

Hitantsika ato koa fa tena nisy ny olona resahin’ny Baiboly. Tao ny nankatò an’i Jehovah, ary tao ny tsy nankatò azy. Afaka mandray fianarana avy amin-dry zareo isika. (Romanina 15:4; 1 Korintianina 10:6) Misy fizarana 14 ity boky ity, ary fintinina eo am-piandohan’ny fizarana tsirairay ny zavatra azontsika ianarana sy tadidina.

Raha manan-janaka ianao, dia azonao atao ny mamaky lesona iray amin’ny zanakao, miresadresaka momba ny sary, dia avy eo mamaky ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly misy an’ilay tantara. Ampio ny zanakao hahita hoe avy ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra ianarany ao amin’ny toko tsirairay. Afaka manao hoatr’izany koa ianao rehefa manampy olon-dehibe hahazo tsara ny zavatra resahin’ny Baiboly.

Mino izahay fa hanampy ny olona tso-po ity boky ity, na ankizy izy na olon-dehibe, mba hampihatra an’izay ianarany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay ry zareo ho tia an’i Jehovah sy hivavaka aminy, ary ho lasa anisan’ny fianakaviany.

Ny rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah