Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampidirana ny Fizarana 1

Fampidirana ny Fizarana 1

Vao manomboka ny Baiboly, dia miresaka hoe i Jehovah no namorona ny zavatra any an-danitra sy etỳ an-tany. Manan-janaka ve ianao? Ampianaro azy fa be dia be ny zavatra noforonin’i Jehovah, sady tsara be daholo. Tsy nataony mitovy amin’ny biby ny olombelona satria nataony mahay miteny, mieritreritra, mamorona zavatra, mihira, ary mivavaka. Ampio ho tia an’i Jehovah ny zanakao, ka ampianaro hoe tena mahery sy manam-pahendrena i Jehovah ary tiany ny zavatra noforoniny rehetra, anisan’izany isika tsirairay.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 1

Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra

Resahin’ny Baiboly hoe nanao ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Fantatrao anefa ve hoe iza ny anjely noforoniny voalohany, izay izy vao nanao ny zavaboary hafa rehetra?

LESONA 2

Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra

Nataon’Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Nasainy hiteraka izy mivady, sady hanao ny tany manontolo ho paradisa.