Fampidirana ny Fizarana 3

Fampidirana ny Fizarana 3

Milaza ny Baiboly fa vitsy kely ny olona nanompo an’i Jehovah, taorian’ny Safodrano. Anisan’izany, ohatra, i Abrahama, izay nantsoina hoe naman’i Jehovah. Raha manan-janaka ianao, dia ataovy tsapan’ilay zanakao hoe tena tia azy i Jehovah ary te hanampy azy. Afaka mangataka amin’i Jehovah izy mba hanampy azy, hoatran’ny nataon’i Abrahama sy ny mpanompon’i Jehovah hafa taloha. Afaka matoky koa isika fa hitana ny teniny foana i Jehovah.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 7

Ny Tilikambon’i Babela

Te hanao tanàna sy trano avo be iray tonga eny an-danitra ny olona. Nahoana àry no nataon’Andriamanitra tsy nitovy tampoka ny fitenin-dry zareo?

LESONA 8

Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha

Nahoana i Abrahama sy Saraha no niala tao an-tanànany dia nankany Kanana, nefa nivezivezy be ry zareo tany?

LESONA 9

Nanan-janaka Ihany Tamin’ny Farany!

Iza amin’ny zanakalahin’i Abrahama no hofidin’Andriamanitra, mba hanatanterahana ny teniny tamin’i Abrahama: Isaka sa Ismaela?

LESONA 10

Tadidio ny Nataon’ny Vadin’i Lota

Nandatsaka afo sy solifara tany Sodoma sy Gomora Andriamanitra. Nahoana no noravany ireo tanàna ireo? Nahoana no tokony hotadidintsika ny nataon’ny vadin’i Lota?

LESONA 11

Tena Nanam-pinoana i Abrahama!

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: ‘Ento ilay zanakao lahitokana, dia ataovy fanatitra ho an’ahy any Moria.’ Nanam-pinoana ve i Abrahama, ka nanaiky an’izany?

LESONA 12

I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova

Nanan-janaka kambana roa lahy i Isaka sy Rebeka, dia i Esao sy Jakoba. I Esao no lahimatoa ka izy no tokony hahazo ny lova. Fa naninona anefa ilay izy no natakalony lantihy iray vilia?

LESONA 13

Nihavana Indray i Jakoba sy Esao

Nahoana i Jakoba no nahazo tsodrano tamin’ny anjely? Inona no nataony mba hihavana indray izy sy Esao?