Fampidirana ny Fizarana 4

Fampidirana ny Fizarana 4

Hiresaka momba an’i Josefa, Joba, Mosesy, ary ny Israelita ity fizarana ity. Nampijalijaly an-dry zareo ny Devoly. Nisy niharan’ny tsy rariny, fa nisy kosa nogadraina, natao andevo na maty tampoka ny havany. Nanampy an-dry zareo foana anefa i Jehovah. Resaho amin’ny zanakao hoe natoky an’i Jehovah foana ireo mpanompony ireo na dia nijaly aza.

Nandefa loza folo tany Ejipta i Jehovah. Hita àry hoe mahery lavitra noho ireo sampy tany izy. Resaho hoe miaro ny mpanompony foana i Jehovah, na taloha na amin’izao.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 14

Andevo Nankatò An’Andriamanitra

Nanao ny tsara i Josefa, nefa lasa nijaly be. Fa nahoana?

LESONA 15

Tsy Nanadino An’i Josefa Mihitsy i Jehovah

Tafasaraka tamin’ny fianakaviany i Josefa, nefa nampian’Andriamanitra foana izy.

LESONA 16

Iza i Joba?

Nankatò an’i Jehovah foana i Joba na dia nijaly be aza.

LESONA 17

Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy

Tsy maty i Mosesy tamin’ny mbola kely satria nahita hevitra ny mamany.

LESONA 18

Nirehitra Ilay Voaroy!

Nahoana no tsy nety levon’ny afo ilay voaroy?

LESONA 19

Ireo Loza Telo Voalohany

Nidiran-doza ny Ejipsianina satria tsy nanetry tena i Farao ka tsy nanaiky ny tenin’i Jehovah.

LESONA 20

Ireo Loza Enina Nanaraka

Inona no tsy nampitovy an’ireo loza enina ireo tamin’ny loza telo voalohany?

LESONA 21

Ny Loza Fahafolo

Tena ratsy be ilay loza fahafolo ka nalefan’i Farao ihany ny Israelita.

LESONA 22

Ilay Fahagagana teo Amin’ny Ranomasina Mena

Tsy maty tamin’ireo loza folo i Farao. Nanao ahoana anefa izy teo amin’ny Ranomasina Mena?