Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampidirana ny Fizarana 5

Fampidirana ny Fizarana 5

Tonga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita, roa volana taorian’ny niampitany ny Ranomasina Mena. Nanao fifanekena tamin-dry zareo i Jehovah, ka nofidiny ho fireneny manokana ry zareo. Niaro an-dry zareo izy, ary nanome mana mba hataony sakafo. Nataony tsy nety rovitra koa ny akanjon-dry zareo, ary nentiny tany amin’ny toerana azo antoka ry zareo. Resaho amin’ny zanakao hoe nahoana i Jehovah no nanome ny Lalàna, ny tranolay masina, ary ny mpisorona ho an’ny Israelita. Hazavao hoe tokony hitana ny teniny foana izy, hanetry tena, ary tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 23

Nanao Voady Tamin’i Jehovah Izy Ireo

Nivoady tamin’Andriamanitra ny Israelita rehefa teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ry zareo.

LESONA 24

Tsy Nanatanteraka An’ilay Voady Izy Ireo

Nanota tamin’i Jehovah ny Israelita tamin’i Mosesy nahazo ny Didy Folo teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.

LESONA 25

Toerana Nivavahana Tamin’i Jehovah

Tao amin’io tranolay masina io ny Vata misy ny fifanekena.

LESONA 26

Ireo Mpitsikilo 12

Nitsikilo ny tany Kanana niaraka tamin’ny lehilahy israelita 10 i Josoa sy Kaleba, nefa tsy nitovy tamin’ny an-dry zareo ny zavatra notenenin’izy roa lahy.

LESONA 27

Nikomy Tamin’i Jehovah Izy Ireo

Tsy tao an-tsain’i Kora, Datana, Abirama, ary ireo 250 lahy mihitsy fa nikomy tamin’i Jehovah ry zareo raha ny marina.

LESONA 28

Niteny Ilay Ampondra

Nahita anjely ilay ampondra, fa i Balama kosa tsy nahita.