Fampidirana ny Fizarana 8
Nataon’i Jehovah tena hendry i Solomona. Izy koa no nofidiny hanamboatra ny tempoly. Niala tsikelikely tamin’i Jehovah anefa izy. Hazavao amin’ny zanakao hoe olona mpanompo sampy no nitarika azy hanao an’izany. Lasa nizara roa ny fanjakany, ary nisy mpanjaka ratsy fanahy nitarika ny vahoaka hanompo sampy. Be dia be ny mpaminanin’i Jehovah nenjehina sy novonoina tamin’izany. Vao mainka nanompo sampy be ny fanjakana tany avaratra, rehefa nanambady an’i Jezebela ny mpanjaka. Ratsy be ny fiainana tany tamin’izany. Mbola nisy Israelita tsy nivadika tamin’i Jehovah ihany anefa, anisan’izany i Josafata Mpanjaka sy Elia mpaminany.
ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY
LESONA 44
Tempoly ho An’i Jehovah
Neken’Andriamanitra ny fangatahan’i Solomona Mpanjaka, dia nataony tena hendry izy, ary nomeny zavatra tsara be dia be.
LESONA 45
Nizara Roa Ilay Fanjakana
Be dia be ny Israelita no lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony.
LESONA 48
Velona Indray ny Zanak’ilay Vehivavy
Nisy fahagagana anankiroa nitranga tao amin’ilay vehivavy!
LESONA 49
Nosazina Ilay Mpanjakavavy Ratsy Fanahy
Nanao tetika hamonoana an’i Nabota i Jezebela, fa te haka ny tanimboalobony. Ratsy saina be i Jezebela. Hitan’i Jehovah anefa ny nataony.
LESONA 50
Narovan’i Jehovah i Josafata
Rehefa nisy fahavalo tonga nanafika an’i Joda, dia nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra i Josafata Mpanjaka.