Fampidirana ny Fizarana 13

Fampidirana ny Fizarana 13

Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hanome ny ainy hamonjena ny olona tsy lavorary. Nandresy an’izao tontolo izao izy, na dia maty aza. Tsy nivadika tamin’io Zanany io àry i Jehovah ka nanangana azy. Nanetry tena foana i Jesosy, sady tia nanampy olona sy namela heloka, mandra-pahafatiny. Niseho tamin’ny mpianany izy rehefa natsangana, dia nasainy nanao asa tena lehibe anankiray ry zareo. Raha manan-janaka ianao, dia resaho aminy hoe faly isika fa afaka manao an’io asa io koa amin’izao fotoana izao.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 87

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Nanome toromarika tena lehibe ho an’ny apostoly i Jesosy, tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo.

LESONA 88

Nosamborina i Jesosy

Nitarika vahoaka nitondra sabatra sy kibay nankao amin’ny Zaridainan’i Getsemane i Jodasy Iskariota. Tonga hisambotra an’i Jesosy ry zareo.

LESONA 89

Nanda An’i Jesosy i Petera

Inona no nitranga teo an-tokotanin’i Kaiafa? Ary inona no nitranga tamin’i Jesosy tao an-trano?

LESONA 90

Maty tao Golgota i Jesosy

Fa maninona no nasain’i Pilato novonoina i Jesosy?

LESONA 91

Natsangana Tamin’ny Maty i Jesosy

Inona no zava-mahagaga nitranga taorian’ny namonoana an’i Jesosy?

LESONA 92

Niseho Tamin’ny Mpanarato i Jesosy

Inona no nasain’i Jesosy nataon’ireo mpanarato?

LESONA 93

Niverina Nankany An-danitra i Jesosy

Talohan’i Jesosy hiakatra ho any an-danitra, dia nisy zava-dehibe noteneniny tamin’ny mpianany.