Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampidirana ny Fizarana 14

Fampidirana ny Fizarana 14

Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana hatrany lavitra be ny Kristianina voalohany. Natoron’i Jesosy an-dry zareo hoe aiza avy no hitoriana. Nanao fahagagana koa i Jesosy dia afaka nampianatra olona samy hafa fiteny ry zareo. Nampian’i Jehovah ry zareo, dia lasa sahy nitory sy tsy nivadika na dia nenjehina mafy aza.

Nahazo fahitana avy tamin’i Jesosy ny apostoly Jaona, dia hitany ny voninahitr’i Jehovah. Hitany koa fa resin’ilay Fanjakan’ny lanitra i Satana ka foana ny fitondrany. Hitany koa i Jesosy sy ny 144 000 miara-manjaka aminy, sy ny tany lasa paradisa ary ny olona rehetra manompo an’i Jehovah sady mihavana sy miray saina.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 94

Nahazo Fanahy Masina ny Mpianatra

Lasa nahay nanao inona ny mpianatra rehefa nahazo fanahy masina?

LESONA 95

Tsy Nisy Nahasakana ny Apostoly Mihitsy

Efa namono an’i Jesosy ho faty ny mpitondra fivavahana, dia izao indray tsy navelany hitory intsony ny mpianatr’i Jesosy. Mbola nitory foana anefa ry zareo.

LESONA 96

Nifidy An’i Saoly i Jesosy

Nanenjika mafy an’ireo Kristianina i Saoly. Niova anefa izy.

LESONA 97

Nahazo Fanahy Masina i Kornelio

Nahoana no nasain’Andriamanitra nankany amin’io lehilahy tsy Jiosy io i Petera?

LESONA 98

Nitory Hatraiza Hatraiza ny Kristianina

Nitory hatrany lavitra be ny apostoly Paoly sy ireo namany.

LESONA 99

Mpiambina Fonja Lasa Kristianina

Mahaliana ity tantara ity fa voaresaka ao daholo na demonia, na horohoron-tany, na sabatra.

LESONA 100

Paoly sy Timoty

Mpinamana be sy niara-niasa nandritra ny taona maro izy roa lahy.

LESONA 101

Nalefa Tany Roma i Paoly

Be dia be ny loza teny an-dalana. Tsy nisy nahasakana an’i Paoly anefa ireny.

LESONA 102

Nanoratra ny Apokalypsy i Jaona

Nampisehoan’i Jesosy fahitana maromaro momba ny hoavy izy.

LESONA 103

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”

Resahin’ny bokin’ny Apokalypsy hoe inona avy ny fiovana hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.