HIRA 9
Jehovah no Mpanjakantsika!
-
1. ’Ndao samy hidera an’i Jehovah!
Ambarao fa mahagaga ny asany.
Fa ny lanitra anie mba midera azy koa,
’Ndao isika hihira amin’ny fo.
(FIVERENANA)
Mifalia, ô ry tany, Sy ’reo nosy any ho any,
Fa Jehovah no Mpanjakantsika!
Ô ry lanitra irony, Ny habakabaka ambony,
I Jehovah no Mpanjakantsika!
-
2. ’Ndao ’sika hanompo an’i Jehovah
Eo alohan’ny seza fiandrianany.
Ambarao mba halaza am’ireo firenena
Fa Jehovah anie no famonjena!
(FIVERENANA)
Mifalia, ô ry tany, Sy ’reo nosy any ho any,
Fa Jehovah no Mpanjakantsika!
Ô ry lanitra irony, Ny habakabaka ambony,
I Jehovah no Mpanjakantsika!
-
3. ’Ndao samy hanaja an’i Jehovah,
Fa nataony Mpanjaka ny Zanany.
Dia haetry ’reo sampy
’zay nohindrahindraina,
Fa Jehovah kosa hoderaina.
(FIVERENANA)
Mifalia, ô ry tany, Sy ’reo nosy any ho any,
Fa Jehovah no Mpanjakantsika!
Ô ry lanitra irony, Ny habakabaka ambony,
I Jehovah no Mpanjakantsika!
(Jereo koa ny 1 Tan. 16:9; Sal. 68:20; 97:6, 7.)