HIRA 10

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

(Salamo 145:12)

  1. 1. Derao Jah! Derao Jehovah!

    ’Zao no ambarao eran-tany:

    ‘Lehibe ny anarany!

    Efa akaiky ny andro hitsarany.

    Ny Zanany izao Mpanjaka mahery,

    Hanafoana ny fijaliana.’

    ’Zay no vaovao tsara tokony hambara;

    Ny rehetra, andao hitoriana!

    (FIVERENANA)

    Derao Jah! Derao Jehovah!

    F’izy no Mpanjaka ambony indrindra.

  2. 2. Derao Jah! Derao Jehovah!

    Ka manaova hira am’ny fo.

    Mifalia ary mihobia,

    Dia misaora an’ilay Mpanao Soa.

    Ambony izy nefa manetry tena,

    Ary miahy an’ireo mijaly.

    Mangoraka sady mamindra fo,

    Rehefa antsoina izy dia mamaly.

    (FIVERENANA)

    Derao Jah! Derao Jehovah!

    F’izy no Mpanjaka ambony indrindra.