HIRA 16

Derao i Jehovah fa Lasa Mpanjaka Ilay Zanany

Derao i Jehovah fa Lasa Mpanjaka Ilay Zanany

(Apokalypsy 21:2)

  1. 1. Mpanjaka mahery Kristy,

    Tia rariny, toy ny Rainy;

    Ka Jehovah no nanendry azy

    Hamita an’izay nokasainy.

    (FIVERENANA)

    Derao Jah, ry ondry rehetra!

    Derao koa Jesosy Kristy!

    Koa araho hatrany, ekeo ny lalàny;

    Derao izy, mihobia!

    Derao Jah noho ’lay Fanjakany!

    Derao fa voatendry Kristy,

    Ny anaran’ny Rainy no ankalazainy.

    Derao izy, mifalia!

  2. 2. Ireo ’zay nateraka indray,

    Voafidy sady voaisa.

    Nantsoina izy ’reo ho mpanjaka,

    Hamerina ny Paradisa.

    (FIVERENANA)

    Derao Jah, ry ondry rehetra!

    Derao koa Jesosy Kristy!

    Koa araho hatrany, ekeo ny lalàny;

    Derao izy, mihobia!

    Derao Jah noho ’lay Fanjakany!

    Derao fa voatendry Kristy,

    Ny anaran’ny Rainy no ankalazainy.

    Derao izy, mifalia!