HIRA 19
Ny Sakafo Harivan’ny Tompo
-
1. Jehovah Rainay any ambony any,
Te hanandra-peo ny fonay.
Tsaroanay ankehitriny ilay Paska fahiny,
Nataon’ny olonao fahizay.
Taloha mantsy dia zanak’ondry
No niaro ny vahoakanao.
Hoatran’iny Kristy, ’lay nafoinao, satria
Hafa mihitsy ny fitiavanao!
-
2. Ho fampahatsiahivana ho anay
Ireo mofo sy ny divay.
Ireo no mampahatsiahy
ilay aina sy ra,
Takalo hanavotana anay.
Fa mafy kanefa nataonao
’Lay sorona iray lafo vidy.
Takariva toy ’zao,
maty ilay Zanakao,
Ho tsaroanay am-po, ho tadidy.
-
3. Tonga eto izahay fa nasainao;
Tsy hainay ny tsy hisaotra anao.
Mitsingerina androany
’zay niseho tam’izany,
Porofon’ny fitiavanao.
Ho anao re ny dera sy laza,
Fisaorana no asandratray.
Irinay ny hankatò, dia handray valisoa:
’Lay fiadanana mandrakizay.
(Jereo koa ny Lioka 22:14-20; 1 Kor. 11:23-26.)