Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 22

Efa Mitondra Ilay Fanjakana

Efa Mitondra Ilay Fanjakana

(Apokalypsy 11:15; 12:10)

  1. 1. Jehovah, ’lay nisy hatrizay

    Sy ho mandrakizay.

    Nasandratrao ny Zanakao,

    Manjaka izy izao.

    Efa miasa any an-danitra any

    ’Lay Fanjakana haneran-tany.

    (FIVERENANA)

    Dia ’zao ’lay Fanjakana

    Manan-kery sy fahefana,

    Hitondra fanovana.

    Ho tonga anie ’lay Fanjakana!

  2. 2. Satana sy ny andro mahory

    Tsy haharitra ela intsony.

    Ny fiainanay na dia tsy mora,

    ’Zahay manam-pinoana.

    Efa miasa any an-danitra any

    ’Lay Fanjakana haneran-tany.

    (FIVERENANA)

    Dia ’zao ’lay Fanjakana

    Manan-kery sy fahefana,

    Hitondra fanovana.

    Ho tonga anie ’lay Fanjakana!

  3. 3. Ny anjely rehetra any ambony

    Mihira amin’ny fony,

    Fa resy Satana Devoly

    Ka efa tsy any intsony.

    Efa miasa any an-danitra any

    ’Lay Fanjakana haneran-tany.

    (FIVERENANA)

    Dia ’zao ’lay Fanjakana

    Manan-kery sy fahefana,

    Hitondra fanovana.

    Ho tonga anie ’lay Fanjakana!

(Jereo koa ny Dan. 2:34, 35; 2 Kor. 4:18.)