Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 24

Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

(Isaia 2:2-4)

  1. 1. Indro, jereo ange

    ’Reo vahoaka maro be,

    Ho any an-tendrombohitr’i

    Jehovah avokoa.

    Indreo mifampitaona,

    Miakatra an’ireo havoana;

    Tonga satria maniry

    hanompo azy an-tsitrapo.

    Ianao ve mino hoe

    Ireo vitsy tokoa lasa arivo?

    Maro be no mandre;

    Fitahiana àry izao ka tsiahivo!

    Jereo ireo vaovao,

    Efa an-tapitrisa izao;

    Samy manaiky

    ny zon’i Jehovah hitondra.

  2. 2. Kristy mandidy hatrany:

    Mitoria maneran-tany.

    Lazao ny vaovao tsara

    momba ny Fanjakany.

    Ampio ireo tso-po

    Mba ho lasa mpankatò,

    Ary hampihatra izay

    lazain’ny Baiboly koa.

    Mifalia fa satria

    Mbola vahoaka be no miseho.

    Faly erỳ hiara-dia;

    Tombontsoa ny manampy azy ’reo!

    Andeha ka ambarao

    Izao fanasana izao:

    ‘Andao ho any

    an-tendrombohitr’i Jehovah.’