HIRA 27

Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

(Romanina 8:19)

  1. 1. Iza avy ireo voafidy hanjaka

    Any an-danitra?

    Tsy ho ela izany dia

    Hasehon’Andriamanitra.

    (FIVERENANA)

    ’Reo zanak’i Jehovah ireo

    Hasehony avokoa

    Ka hiaraka amin’i Kristy,

    Handray ny valisoa.

  2. 2. Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka,

    Amin’ny fahefany,

    No ho avy hanangona an’ireo

    ’Zay mbola eto an-tany.

    (FIVERENANA)

    ’Reo zanak’i Jehovah ireo

    Hasehony avokoa

    Ka hiaraka amin’i Kristy,

    Handray ny valisoa.

    (TETEZANA)

    Avy eo ireo no hiara-hanao

    ’Lay ady farany,

    Ary hampakarin’i Kristy

    Mba hiaraka aminy.

    (FIVERENANA)

    ’Reo zanak’i Jehovah ireo

    Hasehony avokoa

    Ka hiaraka amin’i Kristy,

    Handray ny valisoa.