HIRA 29

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

(Isaia 43:10-12)

  1. 1. Jehovah Tompo, ianao no Avo Indrindra.

    Rariny foana ny ataonao rehetra.

    Dia ny fitiavanao, tsy hay lazaina,

    Ny fahendrenao dia tsy mba voafetra.

    Vahoakanao izahay, nofidinao,

    Raha tombontsoa dia tsy misy hoatr’izao!

    (FIVERENANA)

    Vavolombelonao ’zahay, Jehovah,

    Ka te ho mendrika ny anaranao.

  2. 2. Mahafaly anay koa ny miara-manompo,

    ’Reo namanay tia anay avokoa,

    ’Ndreny izahay mifanampy, mitory,

    Midera anao ka mahatsiaro ho afa-po.

    Ny anaranao mihitsy no fiantsoana anay,

    Raha voninahitra tsisy hoatr’izao!

    (FIVERENANA)

    Vavolombelonao ’zahay, Jehovah,

    Ka te ho mendrika ny anaranao.