HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao Mifidiana Raki-peo Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Salamo 55) 1. Mba henoy re aho, Jehovah, Reraka aho dia mitaraina. Mba jereo re ’zay manjo ahy, Tebiteby sy adin-tsaina. (FIVERENANA) Avelao ho an’i Jehovah Raha tsy zaka ny hakiviana. Lazao azy izay mampanahy, F’izy eo foana, azo itokiana. 2. Te handositr’aho ka hiala. Raha mba voronkely aho mantsy! Mba nikopak’elatra any aho, Dia tsy ho azon’ny olon-dratsy. (FIVERENANA) Avelao ho an’i Jehovah Raha tsy zaka ny hakiviana. Lazao azy izay mampanahy, F’izy eo foana, azo itokiana. 3. Dia mampionona ahy Jehovah, Manome fiadanan-tsaina. ’Zay mavesatra ao am-poko ao, Omeko azy holanjaina. (FIVERENANA) Avelao ho an’i Jehovah Raha tsy zaka ny hakiviana. Lazao azy izay mampanahy, F’izy eo foana, azo itokiana. (Jereo koa ny Sal. 22:5; 31:1-24.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao (Hira 33) Tenin’ny Tanana Malagasy Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao (Hira 33) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016833/sign/wpub/1102016833_sign_sqr_xl.jpg sjj 33