HIRA 34

Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

(Salamo 26)

  1. 1. Mba tsarao aho, jereo ankehitriny,

    Fa tsy mivadika aho, mandeha tsy misy tsiny.

    Jehovah ô, ny fiainako tahio.

    Fantaro sy diniho ny foko mba hadio.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho kosa izao, Miaiky ao anatiko ao

    Hoe tsy hivadika aho, Mandrakizay ho anao!

  2. 2. Tsy tiako ireo mitady hamadika.

    Tsy ataoko namana fandrao mamandrika.

    ’Zaho re arovy, aza ataonao mitovy

    Amin’ireo mpikomy, ny aiko re tsinjovy.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho kosa izao, Miaiky ao anatiko ao

    Hoe tsy hivadika aho, Mandrakizay ho anao!

  3. 3. Ny tranonao no tiako honenana,

    Fa ny manompo anao, tsisy hanenenana.

    Iriko izao ny mba hisaotra anao

    Sy hanodidina ny alitaranao.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho kosa izao, Miaiky ao anatiko ao

    Hoe tsy hivadika aho, Mandrakizay ho anao!

(Jereo koa ny Sal. 25:2.)