HIRA 36

Arovy ny Fonao

Arovy ny Fonao

(Ohabolana 4:23)

  1. 1. Mba iza no mibaiko anao:

    Ny fo ve sa ny saina?

    Tandremo tsara anie ny fo,

    Arovy izy io fa aina.

    Fa ny fonao raha tsy voafehy,

    Ianao ’ndray no ambakainy.

    Jehovah koa mijery anao,

    Ny fonao hotsarainy.

  2. 2. Raha te hanatona Azy ianao,

    Ny fo omano aloha.

    Resaho ’zay tena tsapanao,

    ’Zay lalina ao am-po.

    Dia Izy hamolavola anao

    Hanaiky izay lazainy.

    Ho zatra mankatò ianao,

    Vao mainka hampiasainy.

  3. 3. ’Zay eritreri-dratsy anefa,

    Ialao ary halaviro.

    Ny hevitr’i Jehovah no

    Saintsaino sy fikiro.

    ’Zay rehetra tsy mivadika

    No namana tsy foiny.

    ’Reo manompo azy amin’ny fo

    No akaikin’ny fony.