HIRA 38

Izy no Hampahery Anao

Izy no Hampahery Anao

(1 Petera 5:10)

  1. 1. Jehovah niantso anao satria ianao tso-po,

    Nikaroka ny marina tokoa.

    Nahita ny mazava ianao rehefa nantsoiny,

    Tsy ao anaty haizina intsony.

    Nanokan-tena mba ho azy ianao,

    Ka dia nampiany foana hatram’izao.

    (FIVERENANA)

    Satria ianao voavidy,

    an’i Jehovah ianao,

    Dia izy no hiahy

    sy hampahery anao.

    Niaro anao hatram’izay

    ka hatram’izao,

    Koa izy no hiahy

    sy hampahery anao.

  2. 2. Aza manahy satria Jehovah tena tia,

    Homeny hery ianao ka matokia.

    Ny Zanany aza foiny ka maty ho anao,

    Nahoana ianao no tsy hampiany ’zao?

    Tsy hohadinoiny koa ny finoanao

    Sy ny fitiavana nasehonao.

    (FIVERENANA)

    Satria ianao voavidy,

    an’i Jehovah ianao,

    Dia izy no hiahy

    sy hampahery anao.

    Niaro anao hatram’izay

    ka hatram’izao,

    Koa izy no hiahy

    sy hampahery anao.