HIRA 43

Vavaka Fisaorana

Vavaka Fisaorana

(Salamo 95:2)

  1. 1. Jehovah Ray ô, ny fonay dia feno,

    Feno fisaorana ho anao irery.

    Manompo anao ’zahay no sady matoky

    F’ianao hitsinjo sy hanampy ary hijery.

    ’Zahay isan’andro manao fahadisoana,

    ’Zay diso vitanay re mba fafao.

    Soa fa ekenao hoe vovoka ihany,

    Soa fa nomenao ilay Zanakao!

  2. 2. Misaotra anao ’zahay fa tianao sy ekenao

    Ho namanao ka hifandray akaiky.

    Tariho hahita ny lalana tsara,

    Ampio ho hendry sy mora manaiky.

    Ny fanahy masinao no hery ho anay,

    Ary mahatonga anay ho sahy miteny.

    Enga anie ’zahay hankasitraka foana,

    Hisaotra anao noho ’reny rehetra ireny!