HIRA 45
Izay Saintsainiko ato Am-poko
-
1. Izay saintsainiko ato am-poko
Mandritra ny andro tsirairay,
Dia tiako hampifaly anao,
Hankasitrahanao, ry Ray.
Ny alina aho raha miady saina
Ka lasa tsy mahita tory,
Dia hisaintsaina momba anao,
Tsy hanadino anao akory.
-
2. Izay madio sy tsara laza
No tiako hifantohan’ny saiko,
Satria mba tiako ho sitrakao
Izay ataoko sy lazaiko.
Ny hevitrao, Jehovah ô,
Dia maro, sarobidy koa;
Ka enga anie ny Teninao
Mba hosaintsainiko ao am-po.
(Jereo koa ny Sal. 49:3; 63:6; 139:17, 23; Fil. 4:7, 8; 1 Tim. 4:15.)