HIRA 46

Misaotra, Jehovah

Misaotra, Jehovah

(1 Tesalonianina 5:18)

  1. 1. Misaotra, Jehovah, fa eo foana ianao,

    Mitarika anay am’izay atao.

    Ianao tena mihaino ary akaikin’ny fo;

    Ny vavaka anie tena tombontsoa!

  2. 2. Tsy hainay Jehovah ’zay teny holazaina

    Fa misaotra anao eram-po sy saina,

    Satria sarobidy ny ran’i Kristy;

    ’Zahay koa ampianao tsy ho very dia.

  3. 3. Ianao koa Jehovah no hanala ny ratsy;

    ’Lay Fanjakanao efa atsy ho atsy.

    Dia ny fitoriana, tombontsoa tsara loatra,

    Ka ny teninay: ‘Rainay ô, misaotra!’