HIRA 47

Mivavaha Isan’andro

Mivavaha Isan’andro

(1 Tesalonianina 5:17)

  1. 1. Tsy andrin’i Jehovah ny hihaino anao,

    Ka ny ao am-ponao, resaho, tantarao!

    Izy anie ka Namana azo itokiana,

    Tsy manary anao ’lay Ray be fiahiana.

    Mivavaha àry isan’andro!

  2. 2. Mivavaha raha mbola eo ny maraina,

    Dia misaora an’ilay Mpanome aina.

    Fantany ianao hoe mba vovoka ihany,

    Ka iangavio foana ny famelany.

    Mivavaha àry isan’andro!

  3. 3. Dia raha toa vesaran’ny fanahiana,

    Satriny anie hanome fanampiana.

    Mba antsoy Jehovah raha sendra kivy,

    F’izy no Raintsika mandrakariva.

    Mivavaha àry isan’andro!