HIRA 50
Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah
-
1. Raiso ho anao ny foko izao,
Fa ho tia sy hanompo anao.
Ny ato am-poko tiako haseho,
Te hihira hanandra-peo.
-
2. Raiso ho anao ny tanako,
Raiso ho anao ny fiainako.
’Zay harenako rehetra,
Raiso ho anao tsy misy fetra.
-
3. Intỳ aho hanompo anao,
Ary hanao ’zay sitrakao;
Ka ny saiko manontolo,
Ray ô, tiako ho anao daholo!
(Jereo koa ny Sal. 40:8; Jaona 8:29; 2 Kor. 10:5.)