HIRA 51
Nanokan-tena ho An’i Jehovah
-
1. Nijery ahy Jehovah fony aho tsy nisy tia,
Nantsoiny aho ho mpianatr’i Kristy.
Dia nekeko ireo lalàny,
Lasa tiako ny hazavany;
Te hanao ny sitrapony,
Tsy hanao ’zay tiako intsony.
(FIVERENANA)
Intỳ aho, Jehovah, f’efa nanokan-tena.
Safidy natao tsy mba noterena.
-
2. Nivoady aho, Jehovah, tamin’ny andro iray,
Hoe hanompo anao mandrakizay.
Hafaliana tsy mandalo,
Tombontsoa tsy atakalo
Ny manao ny asanao,
Mitondra ny anaranao.
(FIVERENANA)
Intỳ aho, Jehovah, f’efa nanokan-tena.
Safidy natao tsy mba noterena.
(Jereo koa ny Sal. 43:3; 107:22; Jaona 6:44.)