HIRA 58

Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

(Lioka 10:6)

  1. 1. Mila mitory ’sika, hoy Kristy;

    Ka miantra sy maneho fitia,

    toy ’zay nasehony tetỳ.

    Lalana maina, andro mahamay,

    Nandeha foana izy

    nitady ny ondry tsirairay.

    Isan-tanàna, eny an-tsena,

    Tadiavo ireo manetry tena;

    Ka itorio f’akaiky ny famonjena!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao àry hitady

    ’Reo tia fihavanana eran-tany.

    ’Ndao f’aza miandry,

    Vonjeo ireo ’zay mitomany.

    Ary aza avela

    Hisy ho tavela.

  2. 2. Maika ny asa, ny ora tsy azo ariana,

    Na dia iray no mba mandray,

    nefa an’arivo no itoriana.

    Tiantsika ny ondry, sarobidy ny aina;

    ’Reo namoy fo mba hitraka,

    hisy hantenaina.

    Koa aseseo ny faritany,

    Tadiavo sao misy any ho any.

    Ho faly ’sika raha mikaroka hatrany.

    (FIVERENANA)

    ’Ndao àry hitady

    ’Reo tia fihavanana eran-tany.

    ’Ndao f’aza miandry,

    Vonjeo ireo ’zay mitomany.

    Ary aza avela

    Hisy ho tavela.