HIRA 59

Derao i Jah!

Derao i Jah!

(Salamo 146:2)

  1. 1. Derao i Jah,

    Tompon’ny aina,

    Ray tena tia, mpanome ’zay ilaina.

    Hery lehibe

    No isehoany,

    Mahagaga anefa ny hatsaram-pony.

    Derao ny anarany fa tena ambony.

  2. 2. Derao i Jah

    Fa mpanao soa,

    Mamaly vavaka, miantra tokoa.

    Raha kivy ianao

    Na miady saina,

    Eo ny fanahiny, azo antenaina.

    Izy no mendrika ny hoderaina.

  3. 3. Derao i Jah,

    Tia fahitsiana,

    Manao ny rariny, azo itokiana.

    ’Zay fo tomany,

    Tena iantrany.

    Hitondra soa maro ny Fanjakany.

    ’Ndao àry isika hidera azy hatrany!