HIRA 71

Tafik’i Jehovah Isika!

Tafik’i Jehovah Isika!

(Efesianina 6:11-14)

  1. 1. Ny tafik’i Jehovah

    Dia mafana fo.

    ’Ndreny izy ireo miara-dia,

    Kristy no eo aloha.

    Tsy manaiky ho resin’ny

    Tetik’i Satana;

    Sahy manohy mitory

    Ilay Fanjakana.

    (FIVERENANA)

    Ny tafik’i Jehovah

    Dia mandroso hatrany,

    Faly manambara

    Ilay Fanjakany.

  2. 2. Tadiavintsika foana

    Raha misy ondry very,

    ’Zay ory sy mijaly

    Na koa hoe manirery.

    Dia karohy ’zay mendrika

    Eny am-pitoriana.

    Asao izy ’reny

    Ho any am-pivoriana.

    (FIVERENANA)

    Ny tafik’i Jehovah

    Dia mandroso hatrany,

    Faly manambara

    Ilay Fanjakany.

  3. 3. ’Sika tsy maintsy handresy

    N’inona hianjady,

    Fa ef’ireo ’zay ilaina

    Hamitana ilay ady.

    Hisy zava-tsarotra

    Nef’aza manahy.

    Aleo foana mailo,

    Tsy mivadika.

    (FIVERENANA)

    Ny tafik’i Jehovah

    Dia mandroso hatrany,

    Faly manambara

    Ilay Fanjakany.

(Jereo koa ny Fil. 1:7; Filem. 2.)