HIRA 74

Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!

Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!

(Salamo 98:1)

  1. 1. ’Ty hira ity dia hiram-pifaliana,

    Ho fiderana an’i Jehovah Ray.

    Ny Fanjakany hitondra fitahiana.

    Andao hihira hiaraka aminay!

    (FIVERENANA)

    ‘Jehovah Ray no ivavaho,

    Ka ny anarany derao.

    ’Zao hira izao no asainay hataonao;

    ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’

  2. 2. Hira vaovao tokoa no ambaranay ’zao,

    Satria Kristy dia hitondra ny tany.

    Mihira koa ’lay firenena vaovao,

    Mpiara-mandova an’ilay Fanjakany.

    (FIVERENANA)

    ‘Jehovah Ray no ivavaho,

    Ka ny anarany derao.

    ’Zao hira izao no asainay hataonao;

    ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’

  3. 3. Io hira io dia hira tsotra ihany;

    Izay manetry tena dia mahay.

    Koa maro be no mianatra an’izany,

    Ary manasa ny olon-kafa indray.

    (FIVERENANA)

    ‘Jehovah Ray no ivavaho,

    Ka ny anarany derao.

    ’Zao hira izao no asainay hataonao;

    ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’